Voka-pikarohana : hajoro ny andrimason’ny tontolon’ny siansa

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Beatrice, ny alakamisy teo, ny fikamba­nan’ireo mpampianatra mpikaroka (ACE). Nisongadina ta­min’izany ny fananganana vovonana manokana hiandraikitra ny andrimaso ho an’ny tontolon’ny siansa sy ny fampandrosoana.
Tanjona ny hahafahana manara-maso ny voka-pikarohana sy ny fanehoan-kevitra ho fampandrosoana haingana an’i Madagasikara. Manana manam-pahaizana mpanao fikarohana maro i Madagasikara ka tokony ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana izy ireo.
Hamafisina ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fifanakalozam-baovao sy ny fi­haonana matetika eo amin’ny roa tonta. Kendrena ny hi­sian’ny fitohizan-draharaha sy fiaraha-mikatsaka ny famahana ny olana miseho.
Marihina fa mijoro ihany koa ny birao vaovaon’ny fikambanan’ny mpikaroka (ACE), ary nametraka vina izy ireo ny amin’ny maha mpikaroka loharanon’ny fa­halalana, ny fahaiza-manao ary ny fahaiza-miaina, ho fampandrosoana an’i Mada­gasikara.
Tanjon’ny birao vaovao ny fifanomezan-tanana sy fifanohanana amin’ny fanapariahana ny voka-pikarohana izay iarahany amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Tatiana A

Partager sur: