CRMM Antsirabe : maro ny nitondra ny zanany hotsaboina

Nanomboka omaly ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra karaka­rain’ny Centre de rééducation motrice de Madagascar (CRMM), ao Antsirabe. Ni­tomandavana ny filaharana hatry ny omaly ka ireo zaza manana olana amin’ny fivelarana ara-tsaina na fitombon’ ny zaza no hita ho maro anisa.
Ao ireo zaza tsy afaka mandeha, mihinjitra fihetsika, tsy voabaikon’ny saina ny vatana… Eo koa ireo olona tapaka lalandra mila fanarenana, ireo mivadi-tongotra “pied-bot” …
Misy avy lavitra, toy ny avy any Soanindrariny, ireo mitondra marary, omaly. Ireo avy any amin’ny faritra aza tonga midodododo mitady fitsaboana.
Tiliana ifotony ny aretina izay vao miditra amin’ny fi­tsaboana sy fanarenana, raha ny fanazavana. Dokotera 3, teknisianina manam-pahaizana manokana amin’ny fa­namboarana fitaovana ma­nampy ireo marary, mpitsabo mpanampy… mifarimbona amin’ny fandraisana ireo marary tonga ao an-toerana.
Anisan’ny aretina tena andehanan’ny olona eny ny aretin’ny taolana, tapaka na mivilana. Eo koa ny taolan-damosina marary lava. An­koatra ireo ny aretin’ny va­nin-taolana mangotsoka amin’ ny lohalika, kiho, soroka na misy fivontosana.
Maro ireo mitondra takaitra vokatry ny fianjerana na dona mafy na ratra na may eo amin’ny rantsambatana. An­koatra ireo ny takaitra noho ny fahavoazan’ny atidoha sy ny retsika.

Tatiana A

Partager sur: