Tsy fandriampahalemana : nidina nanao fisafoana ireo minisitra

Taorian’ny dinika notanterahin’ireo minisitra telo misahana ny fandriampahalemana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, nitohy ta­min’ny fidinana teny an-kianja indray izany ny alakamisy alina teo. Fidinana mifanindry amin’ny toromarika voaray momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana ma­nerana ny Nosy. Araka izany, nanara-maso ireo fisafoana misandrahaka eran’Antana­na­rivo ireto tomponandraikitra ireto. Nitarika izany fidinana izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny minisitry ny Filami­nam-bahoaka, ny Contrôleur général de police Randri­narison Fano­mezantsoa ary ny Seg, ny Jly Serge Gellé niaraka tamin’ireo tomponandraikira eo anivon’ny Etama­zaoron’ireo Tafika sy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. “Tsy mora ny fanatanterahana izany, indrindra ho an’ny vehivavy misehatra eo anivon’ny asa fampandriana fahalemana”, hoy ny MDN. Noha­mafisiny fa tokony ho hentitra ny mpitandro filaminana ao anatin’izao ady atao amin’ny tsy fandriampalemana izao mba hahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana.

Jean Claude

Partager sur: