Rugby – XXL Top 20 : hano­hitra ny TFA Anatihazo ny XV Fa Ampasika

Hitohy rahampitso alahady 16 avrily, etsy amin’ny kianja Makis Andohatape­naka ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana hi­songadina, ny fifanandrinan’ny TFA Anatihazo sy ny XV Fa Ampasika. Adin’ny samy kartie ka heverina fa ho toy ny famaranana kely.
Na izany aza, mety hanatombo eo amin’ny traikefa hananany ny Anatihazo, izay efa zatra lalao goavana ny ankamaroan’ireo mpilalao ao aminy. Ny toe-tsaina sy ny herim-po vonona handresy sy hiady hatramin’ny farany no hany paikadin’ny boaikelin’Ampasika. Hiady, araka izany, ny lalaon’ny roa tonta.
Fihaonana iray hahaliana koa ny an’ny STM (Savony) sy FTBA Andohatapenaka. Lalaon’ny boaty sy kartie ka hitrangan’ny ady mangotraka. Iaraha-mahalala ny fa­haizan’ny Savony milalao ao anaty “trois quart”, saingy manana ny taktikany ha­noherana izany Andohatape­naka, amin’ireo mpilalao zandrikely mailaka sy haingam-pandeha. Manatombo ara-taratasy aloha ny Savo­ny, raha mitaha amin’ny FTBA. Ny baolina tsy vita raha tsy aorian’ny 80 mn, hilalaovana ka eo vao hita izay tena mahery.

Tompondaka

Partager sur: