OMS Genève sy Afrika : nohamafisina ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana

Nitsidika an’i Madaga­sikara ny OMS Genève sy Afrika, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny anton-dian’izy ireo.
Teboka maromaro no na­voitra hanatsarana ny kali­taon’ny fitsaboana. Nojerena manokana ny fanatsarana ny paikady hampihenana ny ta­ham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara. Mbola ambony taha raha oharina amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana hafa.
Hamafisina ihany koa ny ady amin’ny VIH/Sida. An­koa­tra izany ny ady amin’ny zava-mahadomelina izay mandavo ny tanora maro ankehi­triny ary lasa mahery vaika mihitsy aza ny karazany mitobaka amin’ny endriny samihafa.
Asiana fanatsarana koa ny fikirakirana ny antontan-taratasy amin’ny tontolon’ny fahasalamana, izay iankinan’ny lamina amin’ny fomba fiasa sy ahitana ny tomban’ezaka.
Voaresaka manokana, nandritra ny fihaonana, ny fanatsarana ny toeram-pikarohana LA2M eny Androhibe sy ny fanaraha-maso ny valan’aretina ary ny fanafoanana ny aretina ongobe.

Tatiana A

Partager sur: