Kaominina Anosiala sy Ambohidratrimo : nianatra ny paikady fitadiavan’asa ny tanora

Ambohipihaonan’ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa ny teny Ambohidra­trimo, ny sabotsy teo. Nam­piofana ny tanora indray ny LCS, izay tarihin’i Fenozana­ny Stephanie sy ireo ekipa miaraka aminy.
Nianatra manokana ny paikady fiatrehana ny fitadia­van’asa izy ireo tamin’izany. Nampiakatra ny fahaizana
sy ny faharisihana hisehatra amin’ny asa ny fifehezana ireo pitsompitsony tsara ho fantatra rehefa mitondra ny antontan-taratasy fitadiavana asa sy ny fiatrehana ny mpampiasa voalohany.
Tanora manodidina ny 800 avy ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo sy Anosiala no nisitraka ny fampiofanana.
Nampianatra nandrafitra CV sy ny teknika fitadiavana asa, nanome fiofanana amin’ny fomba atao rehefa mitady asa izy ireo. Teo koa ny fandraisana mpiasa avy hatrany rehefa nahafeno ny fepetra takina.
Lesoky ny tanora mitady asa amin’izao fotoana ny tsy fahaizana mandrafitra CV sy manome lenta ny maha izy azy mba handresena lahatra ny mpampiasa. Narenina nandritra ny fiofanana izany.
Torohevitry ny mpampiofana ihany koa ny fananana fahamatorana, fahavononana ary fahasahiana rehefa miatrika ny mpampiasa. Mila miomana ara-tsaina sy ara-batana, araka izany, ary manome haja sy hasiny ilay asa katsahina.

Tatiana A

Partager sur: