QMM : mitombo ny mpanjifa fasimainty

Tsy mijanona intsony amin’i Canada, efa misokatra amin’ny firenena maro ny sehatry ny fandraharahana ny fasimainty na «ilménite» ho an’ny orinasa QMM anatin’ny vondrona Rio Tinto. «Nitom­bo ny mpanjifa ary niampy ireo firenena mandray ny vokatra amin’izao fotoana», hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa, i Andry Francis. Anisan’ny mandray ny vokatra azo avy eto an-toerana ny ao Azia. Noho io fiakaran’ny tinady io, efa mikasa hanokatra toeram-pitrandrahana vaovao any Petrika ny Rio Tinto. “Miroso tsikelikely io tetikasa io satria tsy maintsy mbola hisy ny fanamboaran-dalana”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa. Marihina fa tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny orinasa Rio Tinto. Noma­rihina tamin’ny alalan’ny fanolorana marika hita maso ho an’ireo mpiasa eto Anta­nanarivo izany. 37 taona kosa no nisian’ny QMM tao Tao­lagnaro.

Tsiferana R.

Partager sur: