Tontolo ara-barotra : Ilaina ny fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra ny mpanjifa

Niatrika fiofanana voalohany, tetsy Antaninarenina, ireo mpandraharaha handray anjara mandritra ny «Salon International des Acteurs Economiques» (SIAE), ny sabotsy teo. Niofana mikasika ny firesahana sy fandresen-dahatra manoloana ireo mpiara-miasa sy mpanjifa ho avy hanatrika ny hetsika izy ireo. Tanjona ny mba hahafa-po ny mpanjifa, avy eto an-toerana sy avy any ivelany.
“Zava-dehibe ny mahafehy ny firesahana sy fandresen-dahatra eo amin’ny tontolon’ny varotra manoloana ireo mpanjifa”, hoy ny tale mpikarakara ny SIAE, Rakotoma­lala Holy.
Mbola olana ho an’ny tanora malagasy eto Mada­gasikara anefa ny miatrika sy mandresy lahatra olona ka antony nanaovana ny fiofanana, raha ny fanazavany. “Tsy misy dikany raha manana fa­haizana sy diplaoma maro ny olona iray nefa tsy mahafehy ny fahaizana miresaka sy mandresy lahatra”, hoy ny conférencier professionnel, Andria­masy Steeve. Tsiahi­vina fa ho­tontosaina eny amin’ny Centre de Conférence Internationale, Ivato (CCI) ny 1 ka hatramin’ny 4 1ona izao ny SIAE.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: