Lico Kininike : voatendry ho ambasadaoron’ny Telma

Voafidy ho anisan’ny ma­soivohon’ny orinasam-pifandraisana Telma i Lico Kini­nike. Notanterahina, omaly, teny Andraharo, ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Mpana­kanto anisan’ny manana ny maha izy azy sy mbola tena tanora i Lico Kininike. Ny taona 2018 izy no nanomboka hita teo amin’ny sehatra matihanina teo amin’ny haikanto. Tanjona amin’izao ny fampidirana ny mpahay kanto sy ny haikantony ho amin’ny matihanina kokoa.
Pascal Ginet Lico, na Lico Kininike no ahafantaran’ny maro azy. Mpanakanto tanora 23 taona, avy any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasika­ra, miangaly ny gadona salegy tsapiky. Votaiza tanteraka tao anatin’ny mozika i Lico Ki­ninike satria mpanakanto ny reniny, tsy iza fa Rasoa Ki­ninike, ary mpitendry zavamaneno tao amin’izany tarika Rasoa Kininike izany ihany koa ny rainy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanomboka niaraka tamin’ny tarika Rasoa Kininike, nanao mpikapoka ampongamaroanaka. Tamin’izay fotoana izay ihany koa no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny tarika ka nahafaty an-dRasoa Kininike. “Nisafidy ny hanohy ny haikanto nataon’ny mamako aho rehefa maty izy, izy izay nanana ny lazany teo amin’ny gadona tsapiky. So­ma­ry nampiana sy nampifanarahiko tamin’ny zava-misy ankehitriny kosa ny mozikako. Izay no nahatonga ahy hitrandraka ny gadona salegy tsapiky”, hoy i Lico Kininike.
Azo lazaina fa malaza manerana an’i Madagasikara, indrindra any amin’ny faritra Atsimo, i Lico Kininike. Izany indrindra no anton’ny nisafidianan’ny orinasa Telma azy ho masoivohon’izy ireo eny amin’ny fiarahamonina sy any amin’ny fampisehoana hataony. “Tanjona ny hiakarana amin’ny ambony indrindra ao anatin’izao fiaraha-miasa izao. Miezaka hatrany koa manome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy sy tsy miala amin’ilay gadona maha Malagasy”, hoy i Lico Kini­nike.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: