Tafiditra amin’ny politikan’ny filoham-pirenena, nisy ny fizarana traikefa nataony tamin’ny tanora mpandraharaha, omaly. Notanterahina teny Iavoloha, ny « Malagasy Youth Business Meeting ».
Tanora mpandraharaha miisa 40 avy amina seha-pihariana rehetra no noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Nisy ny dinika an-databatra boribory nifampiresahan’ny roa tonta. Indrindra ny fizarana traikefa sy toro lalana ho an’ireo tanora mpandraharaha. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny dinika, ireo tanora 9 mianadahy tafakatra tamin’ ny dingana famaranana nandritra ny fifaninana “3 2 1 pitch” nokarakarain’ny fandaharanasa nasionaly Fihariana.
Nandaniana ny tapak’andro manontolo ny dinikasa sy fifanakalozan-kevitra. “Matetika dia tsy misy mihaino ary tsy hitan’ny fitondram-panjakana ny tanora mpandraharaha”, hoy ny filoham-pirenena. Tafiditra amin’izay indrindra ny lalan-tsaina namolavolana ny tetikasam-pirenena Fihariana, hoentina hanampiana ireo tanora malagasy mpandraharaha. “Betsaka no efa vita tao anatin’izay fotoana nijoroan’ny Fihariana izay. Fa mbola misy ny fanatsarana toy ny fanalalahana ireo sehatra mila fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana”, hoy hatrany ny fanazavany.
Nasongadiny nandritra ny fihaonana fa ny fisian’ny orinasa no mampirisika ny famoronana asa. Notohizany fa ny fananana mpandraharaha avy amina firenena iray no lakilen’ny fampandrosoana. Efa lasa lavitra amin’ ny fandaharanasa toa izany, ny ao Maorisy sy ao Sénégal.
Mampirisika hatrany
Nampahery ireo tanora mpandraharaha nihaona taminy ny filoham-pirenena mba tsy ho mora kivy. “Mila manana finoana sy fitiavana ilay zavatra atao mba hahomby”, hoy hatrany ny fampaherezana nataony.
“Mandraharaha amin’ny seha-pihariana lamba aho. Ny tena nanosika ahy dia te hivoatra amin’ny maha mpandraharaha kanefa tsy ampy ny enti-manana. Ity no nahafahako maneho ny tetikasako. Tiako ho ren’ny filoham-pirenena hoe misy ny tanora miezaka eto Madagasikara fa tsy mangataka fotsiny”, hoy Rakotoarisoa Aina Vololona, mpitantana ny F&A Fashion. Notohizany fa mitondra fampahafantarana ny orinasany ity programanasa Fihariana ity hahafahany mampandroso ny tetikasany. Hividianany milina hoentina hanitarana ny orinasany sy ny akora ilainy rehetra, hanatsarana ny asany ihany koa ny vola 10 tapitrisa Ar azo avy amin’ ity programanasa ity.
“Fotoana nahafahana namelabelatra sy nampiseho ny olana iainan’ny tanora mpandraharaha ity fotoana ity. Betsaka tokoa ny olana sendraina indrindra eo amin’ ny lafiny famatsiam-bola, fifaninanana ary ny fanafarana entana”, hoy i Dina Arison, mpitantana ny Tora Peint, orinasa malagasy misehatra amin’ny “peinture”. Nambarany fa lafo ny vidin’ ny akora hafarana, antony tsy mampiroborobo ny indostria eto amintsika. Tokony ho jerena, hoy hatrany ity tanora mpandraharaha ity, ny entana efa vita mba tsy hanamaivanana ny indostria malagasy.
Henintsoa Hani