Laza adina CEPE : efa tonga eny amin’ny minisitera foibe

Efa tonga eo anivon’ny foiben’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena ny santionan’ ny laza adina CEPE. Avy any amin’ny Cisco sy ny Dren hi­safidianana hampiasaina amin’ ny fanadinana CEPE 2023, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny pedagojia, Andria­miakatsilavo Raoniherijaona. Manana 20 andro ny teknisianina ao amin’ny minisitera hifantenana ny laza adina fa­rany haroso amin’ny CEPE. Fandinihana ny laza adina mifanaraka amin’ny fandaharam-pibeazana sy izay vitan’ ny kilasy T5 no tontosain’ireo teknisianina. Samy manana ny laza adina ho azy manokana ny faritany enina amin’ny fanadinana CEPE. Rehefa vita ny fifantenana vao hatonta ny laza adina rehetra ary haparitaka any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana tsirairay.
Ho an’ny fanadinana BEPC, mamolavola ny laza adina ny mpampianatra any amin’ny faritra amin’izao fotoana izao. Manaraka ny rindran-damina rehetra ny fanatanterahana izany. Manaja tanteraka ny tetiandro ny fanomanana ha­tramin’izao.

Vonjy

Partager sur: