Miroso ny fanomanana ny fanadinam-panjakana ary fantatra ny isan’ny mpiadina rehetra ho an’ny CEPC sy ny BEPC.
27 862 ny isan’ny mpiadina nisoratra anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE 2023, araka ny tatitra avy amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 68 ny sokajy A, 24 508 ny sokajy B ary 3286 ny sokajy C. 21 ireo mpiadina manana fahasembanana. Zazalahy 7 taona ny zandriny indrindra raha lehilahy 70 taona ny zokiny indrindra hiatrika ny fanadinana CEPE amin’ity taona ity. Eny amin’ny CEG Anosibe Centre ny foibem-panadinana ho an’ilay voalohany raha ao amin’ny CEG Andranomena ho an’ilay zokiolona. Nidina 0,75% ny tahan’ny mpiadina raha miohatra ny tamin’ny taon-dasa. 15 ny foibe fitsarana ny kopian’ny mpiadina, 43 ny foibem-panadinana ary 680 ny isan’ny efitrano handray ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra.
Ho an’ny fanadinana BEPC, 25 001 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana eto Antananarivo Renivohitra, nisy fidinany 4,94% ny isan’ny mpiadina raha ampitahaina tamin’ny taona 2022, maro an’isa hatrany ny sokajy A, mahatratra 21 218. Nisafidy ny tenim-pirenena vahiny alemà ny 783, espaniola ny 367 ary anglais ny 20 068. Ho an’ny sokajy B, 3 783 izy ireo. Mitsinjara telo ny vondrona ka mahatratra 2637 ny vondrona I, 22 358 ny vondrona II ary enina ny vondrona III. 15 ny mpiadina manana fahasembanana hiatrika ny BEPC amin’ity taona ity. Ankizivavy 10 taona ny zandriny indrindra hanala fanadinana eny amin’ny CEG Avaradrova. 70 taona kosa ny zokiny indrindra, hiatrika ny BEPC eny amin’ny Lycée Ambohimanarina. Samy nidina avokoa izany ny isan’ny mpiadina ho an’ny CEPE sy ny BEPC amin’ity taona ity eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra.
Hotontosaina ny talata 20 jona ho avy izao ny CEPE manerana ny Nosy raha ny 3 jolay ka hatramin’ny 6 jolay ny BEPC. Amin’ity dimy volana fahadimy farany ity no hanao ny CEPE sy ny BEPC andrana ny eo anivon’ny Cisco Antananarivo Renivohitra.
Vonjy A.