Efa nisokatra ny 13 marsa lasa teo ny fisoratana anarana ho an’ireo liana handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix orange de l’entrepreneur social” aty Afrika sy Moyen Orient (Poesam), andiany faha-13. Fananganana tetikasa mikirakira ny teknolojia vaovao sady mitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina no tanjona ka anisany manana mpifaninana i Madagasikara. Miompana amin’ny fanabeazana, varotra, fambolena na koa mamaly ny vinan’ ny fampandrosoana lovain-jafy ny tetikasa mpifaninana. Telo ny tetikasa malagasy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Poesam iraisam-pirenena 2023, ka nisy ny tantsoroka nataon’ny tomponandraikitry ny Orange Digital Center, ny talata lasa teo, hanampiana ireo rehetra vonona handray anjara. Hifarana ny 21 mey ny fandraisana ny antontan-taratasy hifaninana eto amintsika.
10 ny tetikasa hiatrika ny famaranana iraisam-pirenena ny volana novambra ka olona manam-pahaizana amin’ny teknolojia vaovao aty Afrika no hisafidy ny telo tena mendrika sy hahazo ny loka. 25 000 euros ny loka voalohany, 15 000 euros ho an’ny faharoa ary 10 000 euros ny fahatelo.
Mbola misy loka hafa natokana ho an’ny tetikasa natolotry ny vehivavy ka hitondra vahaolana ho an’ny fiainan’ny vehivavy. 20 000 euros ny sandan’ny valisoa ho an’ity sokajy iray ity.
Vonjy