Hamokatra boky fizarana mamaky teny ho an’ny kilasy T1-T2sy T3 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ho an’ny taom-pianarana 2023-2024, araka ny fanambaran’ ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophil, afakomaly, teny Antanimena. Taorian’ny fanombanana ny boky hoenti-mampianatra eny amin’ny EPP sy ny CEG, nivoitra fa boky mitarika hanovo fahaizana no mila vokarin’ny teknisianina eto amintsika, mifanaraka amin’ny fomba enti-mampianatra amin’izao fotoana izao. Tolo-kevitra nivoaka rehefa notombanana ny boky hoenti-mampianatra eto amintsika fa ilaina ny fametrahana politika nasionaly amin’ny famokarana boky. Hofanina ny mpampianatra hifehy ny famolavolana boky ho an’ny mpianatra malagasy ary hamafisina ny rafitra amin’ ny fanombanana ny boky hoenti-mampianatra hifanaraka amin’ny filana sy ny fenitra ary ny kalitao takiana.
Hampiharina tsikelikely ny fanovana ny rafi-pampianarana ka zava-dehibe ny famokarana boky vaovao hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tafiditra amin’izay ny tetikasa fanombanana ny boky hoenti-mampianatra amin’ny firenena enina aty Afrika. Iarahan’ny confemen sy ny Unesco ary ny AFD ny tetikasa.
Eto amintsika, 10% amin’ ny ankizy 10 taona ihany no mahafehy ny vakiteny ka sady mahay mamaky teny no mahazo ny dikan’ny teny vakiany. 50% amin’ny mpianatra ao amin’ ny kilasy T5 no mahafehy ny vakiteny sy ny kajy, araka ny fanadihadiana natao farany. Ilaina, noho izany, ny fanovana ny boky izay fitaovana hoentina mampita fahalalana.
Vonjy A.