Antsirabe : nodinihina ny fahasalaman’ny reny

Tanterahina ao Antsirabe, nanomboka ny alatsinainy hifarana ny sabotsy izao, ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny manodidina izany, eny anivon’ireo tobim- pahasalamana manerana ny Nosy.
Efa nametraka ny fomba fiasa AIM na ny firaisankina ho fametrahana ny fihavaozana eo amin’ny fahasalaman’ny reny. Mifampiankina amin’ny fiantohana ara-pahasalamana manaraka ny fenitra eny amin’ny toeram-pitsaboana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nifampizarana nandritra ny dinika natao izany.
Misahana izany fomba fiasa izany ny fitaleavana misahana ny Fampitaovana ara-pitsaboana miaraka amin’ny fanohanan’ny USAID sy ny fandaharanasa ara-pahasalamana ao amin’ny tetikasa Access,
Aorian’io fihaonana ao Antsirabe io, tafiditra anaty drafitra napetraka ny fidinana ifotony any amin’ireo faritra 11, ahafahana mampita ny fahaiza-manao momba ity fahasalaman’ny reny ity. Ani­san’izany ny faritra Analan­ji­rofo, Atsimo Andrefana, Atsi­nanana, Boeny, Diana , Sava, Sofia, Vatovavy, Fitovinany, Menabe ary Melaky .
Niarahana tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana, notarihin’ny sekretera jeneraly sy ireo tale samihafa ary ireo lehiben’ny hopitaly sy toeram-pitsaboana ary ireo tomponandraikitra fototra misahana ny fahasalamana ny fihaonana.

Tatiana A

Partager sur: