«Mila andraisana fepetra manokana ireo minia manalabaraka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera «facebook», indrindra izao ankatoky ny fifidianana izao», hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, nandritra ny tafa nifanavaony tamin’ny mpanao gazety, afakomaly. Hanaratsiana anaran’ olona sy hilazana zavatra tsy marina anatin’io tambajotra io ka lasa raisin’ ny olona ho tena zava-misy. “Efa zatra ary tsy miteraka olana amiko. Misy anefa ireo olom-pirenena manam-bady aman- janaka hafa izay tsy mahazaka ny tsaho aelin’ireo mpampiasa facebook ka tokony handraisana fepetra manokana”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy mahasolo velively ny asa fanaovan-gazety ny fisian’ny tambajotran-tserasera “facebook”. Laharam-pahamenana, araka izany, ny fanarahan’ny tsirairay ny vaovao marina amin’ny alalan’ny fampitam- baovao amin’ny alalan’ny mpanao gazety matihanina. Mitaky fanaraha-maso akaiky sy fandraisana andraikitra avy amin’ ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny mahakasika ireo minia manely tsaho amin’ny alalan’ ny “facebook” kosa izy.
Tsiferana R.