Fahavitan’ny “Ramadan”… : niahy ireo sahirana ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya

Noho ny fahavitan’ny “Ramadan”, nanampy ireo fianakaviana sahirana eto an-drenivohitra
ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya…

Toy ny fanao isan-taona, mandritra ny volana Ramadan, mi­fady hanina sy mifady fisotroana ihany koa ny fikambanana Miozolimanina Ah­madiyya mba hahatanteraka ny fifalian’Andriamanitra, araka ny efa voalazan’ny Mpaminany Masina Mo­ham­mad. “Rehefa mifady hanina dia noana sy mangetaheta mandritra ny andro manontolo izahay. Mandalo fahasahiranana toy ny iainan’ny mpiara-belona aminay izay sahirana tsy mahita sakafo sahaza azy mandritra ny taona”, hoy ny fanaza­van’ny filoha sady misionera mpitarika ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya eto Madagasikara, Ahmad Mujeeb, nandritra ny famaranana ny Ramadan, omaly.

Izany no mahatonga ny Miozolimanina hanampy ireo mpiara-belona aminy, indrindra ireo vahoaka sahirana mandritra ny volana Ramadan, araka ny fanazavan’ity misionera ity hatrany. “Amin’ny alalan’ny fiantrana sy fizarana sakafo ho an’ny mpiara-belona sahirana alohan’ny fetin’ny Eid-ul-Fitr izao atao izao”, hoy izy. Nisy, araka izany, ny fanampiana nataon’ny Ah­madiyya ireo vahoaka sahirana eto an-drenivohitra, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa tsy misy fanavahana ara-pivavahana na ara-pinoana na ara-bolonkoditra izany, araka ny teny fanevan’ny fi­kambanana hoe : “Fitiavana ho an’ny rehetra, tsy misy fankahalana na iza na iza”. Fianakaviana 400 eto an-drenivohitra ireo nahazo fiahiana ireo. Tsy teto an-drenivohitra ihany fa nahazo to­hana toy izao koa ireo tany amin’ny faritra toy ny ao Fianarantsoa, Manakara, Toliara.

Jean Claude

Partager sur: