Fiovan’ny toetr’andro : firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara

Voalaza ho anisan’ny firenena iray eto Afrika anjakan’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara, raha ny nambaran’ny fikambanana Aika. Mijoro handray andraikitra sy hanampy ny tanora ma­lagasy izy ireo mba hiady amin’izany olana izany.

Firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara amin’ny fiovan’ny toetr’andro, raha ny nambaran’ny fikambanana Alliance Aika, omaly, teny Ambohiman­ga­kely.
Nilaza izy ireo fa manana andraikitra sy azo ahetsika tsara, hanarina sy hamerina amin’ny laoniny ary hia­dy amin’ny fahapote­han’ny tontolo iainana. “Tanora avokoa ny 64%-n’ny mponina eto Madagasikara ka antony nisafidianana azy ireo”, hoy ny filoha mpitantana ny fikambanana Alli­ance Aika, Radoharinirina Anja.

Tsy mbola mahavita manapa-kevitra sy miteny momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-manaina ny ankamaroan’ny tanora malagasy, raha ny fanazavana. Tsy tonga any antsofin’izy ireny ihany koa ny vaovao sy ny tokony hataony manoloana izany.
Mitondra ny feon’ny tanora
Manampy azy ireo hitondra ny feon’ny tanora maneran-tany momba ny fiarovana ny tontolo iainana ny antom-pisian’ny fikambanana Aika. Mikajy ny tanindrazana mba ho lovan’ny taranaka mifandimby. Ankoatra izay, manao adisisika sy mampahafantatra ny vaovao tsara ho fantatry ny tanora ihany koa izy ireo. Mikasa handray anjara feno amin’ny fivoriana iraisam-pirenena mikasika ny tontolo iainana ihany koa ny fikambanana. Tanjona ny hanena ny fiovana sy fahapotehan’ny tontolo iainana , indrindra eto Madagasikara.
« Miantso ny tanora rehetra mba hiara-kandray an­draikitra manoloana ny fahapotehan’ny tontolo iainana ny fikambanana», hoy izy.
Tsiahivina fa natsangana omaly, teny Ambohimanga­ke­ly, ny fikambanana Alliance Aika. Ivondronan’ny tanora malagasy manerana ny faritra 23, misehatra sy miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy hiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny firenena. Naha­ritra 4 andro ny fivorian’izy ireo ary nifarana omaly. Na­ma­tsy vola azy ireo nandritra izany ny Unicef. Hisy hatrany ny tatitra isan-taona mikasika ny lahasa ataon’izy ireo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: