Nandritra ny Covid-19 : zaza 300 000 tsy vita vaksiny

Nandritra ny fisehoan’ny valanaretina Covid-19 (2019-2021), nihena ny isan’ny ankizy vita vaksiny noho ny antony maro tany amin’ny firenena 112 maneran-tany. Mahatratra 67 tapitrisa ireo zaza tsy nahazo ny vaksiny miaro azy amin’ny aretina azo sorohana. Vokatr’izay, nitombo avo roa heny ny trangana kitrotro ny taona 2022 raha mitaha ny taona 2021. Niaka­tra 16% koa ny isan’ny ankizy tratran’ny poliomelita lasa ma­lemy ny taona 2022 ihany, araka ny fanambaran‘ny Uni­cef.
Iray amin’ireo firenena manana ankizy betsaka tsy vita vaksiny na fatra iray aza i Madagasikara. Tsy nisitraka vaksiny mihitsy ny zaza 300 000 latsaky ny herintaona izay manome iray ampahatelon’ny zaza ao anatin’io sokajin-taona io, hoy ny solontenan’ ny Unicef eto amintsika, Jean François Basse.
Ho famahana ny olana misy, manentana ny governemanta rehetra hampitombo ny sorabola natokana ho an’ny fanaovam-baksiny ny Unicef. Manao antso amin’ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanohanana ny ady amin’ny Co­vid-19 ihany koa hanome vola ahafahana manamafy ny fanaovam-baksiny hiarovana ny ankizy amin’ny valanaretina azo sorohana amin’ny vaksiny.
Ilaina noho izany ny fanisana ireo ankizy rehetra tsy nisitraka vaksiny na fatra iray aza nandritra ny fisehoan’ny vanalaretina Coronavirus. To­kony hotohanana ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana manao vaksiny hazoto ka omena karama sahaza sy fiofanana.

Vonjy

Partager sur: