40 taona an-tsehatra fa mbola tsy nitsahatra tamin’ny mozika ry Iraimbilanja. Vao mainka aza vonona hiatrika ny taona maro ho avy ny tarika…
Taona 1983, anisan’ny namoaka tarika sy mpanakanto maro…Anisan’ ireny ny tarika Iraimbilanja, izay nisafidy ny gadona rock ary tsy niala tao anatiny, 40 taona izao. 40 taona niakarana an-tsehatra ary nahavita seho maro dia maro ny tarika. Azo lazaina fa zokiny indrindra amin’ireo tarika mpivoy ny rock mbola manohy ny mozikany hatrany aza ry Niry sy ny tariny.
“Eto amin’ity toerana ity, amin’ny herintaona toa izao ihany ny fotoanantsika”, hoy i Batata, tamin’ny famaranana ilay fampisehoana tao amin’ny kianjan’ny sekoly Esca Antanimena. Hotanterahin’ny tarika Iraimbilanja sy ny mi’Ritsoka Production izay fampanantenana izay, ka hotontosaina ny alatsinainy 1 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro io seho goavana izay ivon’ny fankalazana ny faha-40 taona io.
Ho fanomezam-boninahitra an’ity tarika anisan’ny nitondra avo ny rock malagasy ity, hisy mpanakanto maromaro hanotrona azy ireo amin’io fotoana io. Anisan’ireny i Nini (tarika Kiaka), Abass (tarika Apost), Jacquot (tarika Green) ary ry The Dizzy Brains. Ireto farany izay anisan’ny “zanaky ny tarika”, raha ny filazan’i Batata.
Efa fantatra ihany koa fa ora maromaro no iarahana amin’ity, satria hotetezina an-kira izay 40 taona izay. “Misy hofohazina ireo hira tsy dia fanao an-tsehatra. Hisy koa ny hira taty aoriana, mariky ny fitohizan’ny mozikan’ny tarika, ka anisan’izany ny hira fanevan’ny faha-40 taona”, hoy hatrany i Batata.
Zo ny Aina