Misy ny tetikasa entina hiarovana ny faritra arovana any Bombetoka Beloboka, 36 km miala an’i Mahajanga raha an-tanety ary 12 km raha an-dranomasina. Nitsipozipozy ny fiainan’ny mponina taorian’ny nikatonan’ny orinasa mpanao simenitra Amboanio. Anisan’ny vahaolana entina hampandrosoana azy indray ny lafiny tontolo iainana sy ny fizahantany.
Faritra nandroso tany aloha ny kaominina Boanamary, ditrika Mahajanga II, fony nisian’ny orinasa tsy miankina mpamokatra simenitra, niorina ny taona 1930. Nikatona tsy afaka nihodina intsony ity orinasa ity nanomboka ny taona 2002-2004, satria sahirana tamin’ny lafiny fitantanana. Niharatsy ny endriky ny tanàna, nihasimba ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa (lalana, biraom-panjakana samihafa, …). Hany azon’ny mponina natao, niantehitra tamin’ny fitrandrahana hazandranomasina. Nisy fihemorana koa izany satria nivadika mena ny lokon’ny ranomasina vokatry ny fotaka entin’ny reniranon’i Betsiboka mivarina any an-dranomasina. Tonga saina ny mponina ka niezaka namboly hazo hamerenana amin’ny laoniny ny ala honko, fonenana sady fanatodizan’ny hazandrano, toy ny makamba sy ny drakaka. Nisy ny tetikasa nanohanana azy ireo: namboly hazo, nanangana fihariana asa tanana rary ho an’ny fikambanana vehivavy, nisy koa ny fanohanana fiompiana trondro. Saingy tsy nitohy izany, raha vao tapitra ny fe-potoan’ilay tetikasa.
« Pistes des mangroves »
Ankehitriny, manohana ny fiarovana ny ala honko, sy ny fametrahana paikadim-pampandrosoana ny fikambanana Development and environement land center (Delc), tohanan’ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo manan’aina eto Madagasikara (FAPBM). Tohizana ny fiarovana ny ala honko sy ny an-tanety, anisan’ny midadasika indrindra eto amintsika. fa misy koa ny paikady fampiroboroboana ny sehatra hafa, ny asa tanana sy ny fizahantany. Narafitra ny zotran’ny ala honko (Pistes des mangroves), azon’ny mpizahatany hotsidihina. Miainga eo Ambatomalama misy tohodrano, mandalo any Boanamary, misy ireo vehivavy mpanao taozavatra rary vita amin’ny landibe, mitsidika ny seranan-tsambo, mifarana eo amin’ny orinasa mpanao simenitra Amboanio. Eo koa ny toerana ara-kolontsaina any Ambohitromby, misy ny vakoka navelan’Andriamisara, ahitana hazo reniala na baobab lehibe manana savaivo 24 metatra, Ambatolampy, sns.
Hanangana hotely lehibe
Nilaza ny Dr. Rakotoson Lalaina, filoha lefitry ny Delc, fa hananganana hotely, trano fandraisam-bahiny lehibe eo amin’ny seranan-tsambo Boanamary, efa tsy niasa intsony hatramin’ny nikatonan’ny orinasa mpanao simenitra Amboanio.
Tafatsangana ny Vovonan’ ny faritra arovana any amin’ny faritra Boeny (PAPB). Anisan’ny hifantohany ny handrindrana ny asan’ireo mpisehatra rehetra satria samy naka ho azy hatramin’izay. Nilaza ny talen’ny faritra arovana sy ny loharanon-karena voajanahary, Bakarizafy Jean Hervé, nandritra ny atrikasa natao, fa tanjona ny hitondran’ny asan’ny tsirairay fampandrosoana fa tsy mionona amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fotsiny.
Njaka Andriantefiarinesy