Dr. Rabemananjara Alexis: « Ilaina ny fampiasam-bola tsy miankina any Toliara »

Mila ovaina ny hatramin’ izay ! Notsorin’ny Dr. Rabe­mananjara Alexis fa mila trandrahana ny harena voajanahary mba hitondra fampandrosoana any Toliara. Dokotera mpitsabo ny ankizy, misotro ronono, izy sady sojaben’ny mpandraharaha ara-toekarena any an-toerana. Mila ahodina eo an-toerana ny harena ambanin’ny tany, satria mba mahazo tombontsoa koa ny mponina izay efa tena mahantra. Misehatra amin’ny fambolena ity dokotera ity ankehitriny. Mamokatra spiruline, siramamy biolojika (ho an’ny olona misy diabeta), artemezia, ilomenaka avy amin’ny katrafay ary sakay. Aho­diny atao anaty fonosana, na vovony, na menaka., sns.

Mankasitraka ny Base Toliara

Tsapan’ny Dr. Rabema­nan­jara Alexis fa anisan’ny sakana tsy mampandroso any Atsimo Andrefana ny tsy fi­sian’ny fampiasam-bola. Satria mila fotodrafitrasa va­venty, toy ny fandavahan-drano hanondrahana ny lemaka, raha raisina ny famo­karana spiruline, ohatra. Manana andraikitra goavana amin’izany ny sehatra tsy mi­ankina.
Ankasitrahany ny fitrandrahana fasimainty any Ra­nobe Toliara II. « Mila atao faran’izay haingana io. Efa hita ny fandrosoana ataon’ny QMM any Taolagnaro. Ampa­han’olona mangataka ny anjarany ireny nanao grevy ireny », hoy ihany izy. No­tanisainy koa ny harena hafa toy ny aritany any Sakoa, ny entona gazy any Maha­boaboka Sakaraha sy Vatola­tsaka, ny fanatsarana ny fi­trandrahana safira sy labradorita any Atsimo.

Njaka A.

Partager sur: