Mahatratra 10 tapitrisa ny sombin-tany (parcelles) manerana ny Nosy voaisan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany (MATSF) niaraka tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Ny 20 % amin’ireo ihany anefa no vosoratra ka matetika aza mbola isehoana olana, toy ny ady na halatra tany. Ny 80 % ambiny dia tsy misy taratasy mazava avokoa, izany hoe, tsy misy karatany na bokintany. Manoloana izany, nikarakara ny “Herinandron’ ny karatany ho an’ny Malagasy” ny MATSF, izay atao etsy amin’ny Parvis Analakely, manoloana ny Lapan’ny Tanàna, ny 24 hatramin’ny 26 avrily ary hitohy etsy amin’ny “Topo” Anosy, ny 27 sy 28 avrily.. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny hetsika ary hitohy any amin’ny kaominina sy distrika ary faritra manerana ny Nosy izany. Antsoina, araka izany, ny vahoaka fa indrindra ny tantsaha hanao fangatahana karatany ho an’ireo nanajary ny tany nandritra ny dimy taona mihoatra. Hampahafantarina ny besinimaro tsy ankanavaka ihany koa ny fomba fiasa vaovao manaraka ny fenitra ara-teknika entina hanafainganana ny fanomezana karatany. Fa indrindra hahafahan’ny vahoaka misitraka ny taniny ka hampiroborobo ny fampandrosoana eny ifotony. Fanamby napetraky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, rahateo ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy Karatany. Teny filamatr’ity hetsika ity ny hoe “Karatany : fananantany tsotra, mora, manakaiky vahoaka”.
Mandray ny hetaheta
Ahitana tranoheva valo eny an-toerana, ao ny sampandraharaha teknika eo anivon’ny foibem-pitantanana ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany. Ao ihany koa ny foibem-pitantanana ny fanajariana ny tany sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatry ny karatany. Hita eny an-toerana ihany koa ireo tranoheva ahafahana mandray ny hetahetan’ny vahoaka malagasy. Nanokatra ity hetsika ity ny Praimisitra, Ntsay Christian, niaraka tamin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany, Holder Ramaholimasy. Teo ihany koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, ary ireo mpikambana maro ao amin’ny governemanta.
Henintsoa Hani