Ambatondrazaka : jiolahy voatifitra teo amin’ny hatony

Voatifitry ny polisy teo amin’ny hatony ka nivoaka tamin’ny vavany ny bala. Tsy mbola maty fa manaraka fitsaboana eny anivon’ny CHRR Ambatondrazaka i Mainty, io omaly hariva io. Ikoizana amin’ny asa fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana ity jiolahy raindahiny ity. Nanao vela-pandrika ny polisy ka tra-tehaka tao an-tranony ao Ambatoambo, Ambatondra­za­ka, i Mainty. Raikitra ny fi­samborana. Tsy nanaiky anefa ity farany. Nampitan­drina ny mpitandro filaminana saingy nikasa handositra i Mainty. Vokany, voan’ny bala teo amin’ny hatony izy. Nivoaka ta­min’ny vavany avy hatrany izany ka nandriaka ny ra. Sarona tao aminy ny basy ma­hery vaika iray niaraka tamin’ny tranom-bala miisa roa. Nentina notsaboina eny anivon’ny CHRR ao an-toerana izy io hariva io ihany. Andra­sana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: