“Lehilahy iray no maty novonoina satria tratra nangalatra katsaka roa tany Ambositra…”. Io vaovao notaterin’ny “Malagasy news”, ny 24 febroary, io no niteraka fanehoan-kevitra maro tamin’izany… Tsy vahaolana amin’ny hanoanana ny halatra, kanefa vidin’ny aina ny katsaka roa? Noho izay fahatsapana ny fitontongan’ny fiainan’ireo mpiara-monina farahidiny izay no nampifanatona ireo mitovitovy hevitra te hanao zavatra, izay mety hampahatonga saina ny rehetra amin’ny maha ratsy ny toe-draharaha andaniny, sady vahaolana kely anatin’ny fohy ezaka, ankilany…
Teraka noho ny fahatsapana izay ny tetikasa “2 corns”. Seho izay hotontosaina ny sabotsy 29 avrily izao izy io, manomboka amin’ny 5 ora hariva, ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hankafy ny mozikan-dry I’Sidina, Ny Jinja, Rado Manantsoa, Zaotö ary Joseph Fata Band izay ho avy ao. Handray anjara amin’ny fanampiana ireo mpiara-monina latsaka an-katerena koa anefa, satria dia hatokana hividianana sakafo sy rano ho an’ireo tsy manan-kialofana maro eto an-drenivohitra ny vola rehetra azo amin’izany. Hojerena manokana ireo antitra, vehivavy mitaizakely ary ireo manan-kilema .
An-tsitrapo tsy misy tambiny ny an’ireo mpikarakara izay saika mpanakanto ihany koa ny ankamaroany. Fanombohana ihany, kanefa ny erikerika no mahatondra-drano, ary mino izy ireo fa ho maro ny hanara-dia ny hetsika mba hitondra fanovana, na dia kely sy bitika aza, eto amin’ny firenena.
Zo ny Aina