Tontosaina eny amin’ny Ivokolo Analakely, nanomboka ny 18 avrily hatramin’ny 2 jona ho avy izao, ny varotra fampirantiana ataon-dRafidinarivo Hagoharidzery Hery, fantatra amin’ny anarana R. Dzery eo amin’ny maha mpahay kanto. « Kanto ho an’i Neny » no lohahevitra sy lohatenin’ity hetsika ity. Manodidina ny 40 ny hosodoko harantin’i R. Dzery, ao amin’ny Ivokolo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izao ho fanomezana sehatra sy fanohanana ny mpahay kanto.
Miditra amin’ny faha-24 taona naha matihanina, teo amin’ny fanaovana sary hosodoko, azy R. Dzery amin’izao. Mbola kely izy dia efa nilona teo amin’ny fanaovana sary hosodoko, ary anisan’ny mpikambana voalohany tao amin’ny “Sarikanto” Antsirabe, fikambanan’ny mpahay kanto mpanao sary sy mpanao hosodoko. Mampiavaka azy ny filalaovany loko ao anatin’ny sariny. Eo ihany koa ny fampanarahana ny haikanto amin’ny vanim-potoana sy ny fampiarahana ny lokorano sy ny manjarano. Karazana hosodoko sy sary maro no efa nataony. Efa nanao ny hosodoko tsotra izy. Niditra tamin’ny hosodoka manintona sy mahasarika kokoa taorian’izay. Ny taona 2010 indray, niditra tamin’ny fanaovana ny haikanto ankehitriny. Ny taona 2012 kosa izy no nanomboka nanao ny hosodoko lokorano. Sarin’ olona no tena fanaon’ity mpahay kanto iray ity ary ireny karazany ireny no maro anisa amin’ny asa tanany.
“Maro ny hosodoko sy asa tanana natao fa ireto no naranty eto noho ny maha hoe “Kanto ho an’i Neny” ny fampirantiana. Eo ihany koa ny maha efa akaiky ny fetin’ny Reny”, hoy R. Dzery.
Lin (Mpianatra asa)