SIAE II : fanatsarana ny fandraharahana ara-toekarena

Hotanterahina ny 1 – 4 jona 2023 ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques), andiany faharoa. Ivondronan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha rehetra ara-toekarena eto an-toerana sy avy any ivelany. Hampiavaka ity andiany ity ny fandraisana manokana ny delegasiona koreanina, maniry hampiasa vola sy hampivelatra ny fifandraisany ara-barotra eto Mada­gasikara. Tanjona ny hampivoatra sy hanatsara ny fandaharahana ara-toekarena sy ara-barotra hifandraisana mivantana amin’ireo mpandraharaha avy any ivelany, miampy ny mpitsidika.
Ho maro ny hetsika ho hita amin’ireo fotoana ireo. Ahitana sehatra samihafa, toy ny fambolena, ny fitaterana, ny tekinolojia avo lenta, ny fandraha­rahana ary any fahasalamana.
Nambaran’ny mpikarakara fa nohatsaraina manokana ny fahaizana miserasera sy mandresy lahatra ho an’ny mpandraharaha avy eto an-toerana mandray anjara. Natao izany hoentina hanomezana fahafaham-po ny mpitsidika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: