Rôrô !

Rôrô indray izao no malaza. Tsy ilay mpanazatra ny ekipam-pirenena Barea akory, fa ity zava-mahadomelina mahery vaika mamorika ny zatovo malagasy maro ity. Heroïne na cocaïne no tena anarany fa teny miafina nifanaovan’ny samy mpidoroka sy ny mpivarotra azy izany. Tsy misy andro ka tsy handrenesam-peo momba azy ity manerana ny Nosy. Indrindra ny faharavan’ny tanora marobe eto amin’ny firenena sy ny firongatry ny herisetra.
Tsy vao izao akory no nalaza sy nisy ny rôrô. Raha ny fanadihadiana lalina natao nandritra ny dimy taona teto Madagasikara niarahana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena maro, efa hatramin’ny taona 90 tany no nanomboka nalaza ny anaran’i Madagasikara. Firenena fandalovana fotsiny izy hatrizay, mialoha na hampitana azy any amin’ny firenena tena mpanjifa azy.
Tato anatin’ny taona vitsy anefa, nivadika ho firenena mpidoroka i Madagasikara. Nisy ny mpanjifa ka niroborobo ny varotra anatiny. Teratany afrikanina tatsimo iray, saingy mizaka ny zom-pirenena zambianina no lehiben’ny mpamongady eto Madagasikara. Efa voasambotra kanefa manao tsidi-pahitra ny fonja. « Lava tanana » be ity teratany vahiny ity. Nanambady vehivavy malagasy avy any avaratry ny Nosy izy, anisan’ny mpandraharaha amin’ity sehatra iray ity ihany koa.
Samy manana mpaninjara marobe izy ireo rehefa nisara-bady. Miparitaka manerana ny Nosy. Manana olona itokisana maro ka sarotra ny fanangonana porofo. Ireo irakiraka no tratra matetika, kanefa iaraha-mahalala fa tsy manonona izay mpaniraka izy ireo. Nisy ny tranga naningana, izay tsy fifankahazoana tamin’ny samy mpijirika. Nisy ny lehilahy iray nahasahy nitoroka, kanefa andro vitsy taorian’io dia maty. Voalaza fa niady tanaty trano fisotroana izy kanefa ahiana ho niniana novonoin’ny mpanao trafika, teny 67ha.
Amin’ny ankapobeny, tsimatimanota ny mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika eto Madagasikara satria matanjaka ny mpiaro azy ireny. Sehatra anjakan’ny kolikoly. Volabe amina miliara no mihodina ao. Sarotra ny ady satria mitaky finiavana avy amin’ny tomponandraikitra. Ny tomponandraikitra anefa misy miraviravy tanana satria mena ambanin’ny mena. Misy ny tena mpiray tendro amin’ny mpamorika vahoaka.
Fotoana tokony hijoroan’ny Malagasy sy hanamafisana ny firaisankina hanoherana ny tsy rariny izao. Miainga avy any an-tokantrano izany, mipaka amin’ny fiarahamonina ary indrindra manerana an’ity lafivalon’ny Nosy. Sintonina ny lakolosy satria tsy rariny raha ny mpitondra fanjakana tokony hiaro vahoaka no mangina sy mitazam-potsiny.

r.r

Partager sur: