Mpianatra vao herotrerony amina kolejy iray etsy Ankadilalana tra-tehaky ny polisy noho ny fidorohana sy fitsindronana zava-mahadomelina, afakomaly.
Mirongatra tanteraka! Efa miantraika hatrany amin’ny mpianatra vao herotrerony ny fitsindromana ny karazana zava-mahadomelina mahery vaika amin’izao fotoana. Tovolahy iray mpianatra amina kolejy iray etsy Ankadilalana no saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy, afakomaly. Naharay antso tamin’ny tomponandraikitry ny sekoly ny mpitandro filaminana. Efa tsy vaovao tamin’ireo tomponandraikitra intsony ny fitsindronana sy fidorohan’io zazalahy io zava-mahadomelina. Nijery ifotony ny zava-nisy ny polisy. Natao ny fisavana ilay tovolahy. Tra-tehaka teny aminy ny rongony niaraka tamina fitsindronana. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy avy hatrany izy ary natao famotorana.
Lehilahy iray voasambotra
Ankoatr’io, lehilahy iray mpivarotra sy mpidoroka rongony mahery vaika iray hafa koa voasambotra tetsy Ankatso, omaly. Nanao fisafoana ny mpitandro filaminana izay nanao fanamiana sivily. Tratra teo am-pivarotana io rongony io ity lehilahy ity. Nikasa handositra izy saingy tsy lasa lavitra. Natao ny famotorana ka nahitana fonosana rongony mahery vaika enina teny aminy. Niaiky ity farany fa efa mpivarotra io karazana zava-mahadomelina io an-taonany maro teny amin’ny manodidina an’Ankatso.
Tsiferana R.