Tsy mety fay! Nisy andian’olona avy ao Antanetibe Ambohitrarivo sy Akomby, fokontany Malaza, kaominina Avaratsena, nanao fanafihana miharo fandrobana ary fanapotehana fananan’olona ny herinandro teo. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa voafonja mamita asa ivelan’ny fonja (MOP) sy dahalo ireo nampihorohoro ny mponina tao an-toerana. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny fisamborana ny miaramila avy ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa niaraka tamin’ny zandary. Vokany, dimy lahy indray tratra tamin’io fotoana io. Nanamafy ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa momba ny horonantsary mirakitra fanaratsiana ireo mpitandro filaminana miantsehatra any an-toerana ataon’ny ben’ny Tanànan’ Avaratsena fa lainga avokoa izany. Voarakitra ao anatin’io horonantsary io fa hoe mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo ireo mpitandro filaminana. Lainga sy fanosoram-potaka avokoa izany ho fiarovan-tenany.
Jean Claude