Niampy efatra indray ireo roa lahy efa voasambotry ny mpitandro filaminana tamina raharaha halatra moto nitranga tao Toamasina.
Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto ary mamadika izany ho toy ny vaovao tao Tanambao V- Toamasina, ambadikin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, afakomaly. Efa dahy ireo voasambotry ny zandary tamin’izany. Manova ny laharan’ny motera sy ny lokon’ny moto avy nangalarina izy ireo. Niainga tamin’ny famotorana ny jiolahy roa lahy saron’ny polisy ny 14 avrily teo ny fikarohana. Nohadihadian’ny mpitandro filaminana izy roa lahy ireo izay sarona niaraka tamin’ny basy tao Ankirihiry sy Cité Haras. Nitoroka ireo namany sy mpiara-miasa aminy izy mirahalahy ka niroso tamin’ny fanaovana ny paikady ny mpitandro filaminana. Vokany, jiolahy efa-dahy voasambotra. Anisan’ny zanaky ny filohan’ny fikambanana mpitatitra amina kamiao iray ao an-toerana. Ireo namany izay miampanga azy ho mpitatitra ireo entana halatra mihazo ny faritra hafa.
Manahy ireo manodidina
Nanaitra ny besinimaro nanatrika ny voasambotra ny tsy nampisehoana an-tsary ireo roa lahy hafa tra-tehaka niaraka tamin’ny namany roa. “Ny mpanamboatra ny moto sy mpanova laharana no naseho endrika”, hoy ny loharanom-baovao. Ilay zanaky ny filohan’ny fikambanana mpitatitra sy ny iray hafa kosa tsy naseho. Misarika ny sain’izy ireo koa ny hamantarana ny tompon’ny trano fametrahan’ireo jiolahy ny entana halatra. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Sajo/ Tsiferana R.