Noraisim-potsiny tao an-tranony ny jiolahy roa lahy namaky trano tao Bealalana, afakomaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Antanimanga izy roa ireo. Nobatainy tamin’izany ny fahitalavitra, ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny masoandro niampy ny vatoharatra sy zavamaneno. Nanao fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tompon-trano. Natao ny fikarohana. Nahazo loharanom-baovao tamina tsara sitrapo ny polisy. Nidina ifotony izy ireo ka tra-tehaka niaraka tamin’ny entana halatra. Niaiky ny helony izy roa lahy. Atolotra ny fampanoavana taorian’ny famotorana azy izy ireo.
Tsiferana R.