Rivodoza “Freddy”: 481.461.198 dolara ny fahavoazana

Mahatratra 116.700 ireo traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ta­min’ny fiandohan’ny taona. Betsaka manaraka izay ny fotodrafitrasa potika sy ny fambolena simba. Miisa 7.844.507 ireo olona voa mafy sy monina tany amin’ny toerana nadalovan’ny rivodoza, hoy ny tatitra voaray nandritra ny fanomezana ny taratasim-bola fiantohana ny loza voajanahary teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly, teny Anosy. Nambarany fa manodidina ny 481.461.198 dolara kosa ny fahavoazana teo amin’ny lafiny toekarena. Araka izany, nahazo vola mitentina 1.203.909 dolara i Madaga­sikara ho fiantohana ny loza voajanahary aty Afrika na ARC. Hisy ny fizarana fa­nampiana ara-tsosialy toy ny vary tsinjo sy fitaovam-pambolena ary masomboly ho an’ireo traboina hahafahany manohy ny asa fivelomany. Ankoatra izay, miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana malagasy ihany koa ny “Programme alimentaire mondial” (PAM) hanatanterahana ny ARC REPLICA amin’ ny fiatrehana ny loza voajanahary hafa mety hiseho amin’ity taona ity. Atolotra ny PAM, araka izany, ny 300.977 dolara amin’ireo vola azo, ny ambiny kosa tantanin’ny «Cellule de prévention et gestion des urgences» (CPGU) na ny sampandraharaha misoroka sy mitantana ny hamehana amin’ny loza voajanahary mitranga eto Madagasi­kara.

Henintsoa Hani

Partager sur: