« FIM 2023 »: hanome sehatra ny fiarovana ny tontolo iainana

Hiompana betsaka amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra ny “Foire internationale de Madagascar” (FIM) amin’ity andiana faha-17 ity. Omaly, namory ireo mpandray anjara amin’izany ny mpikarakaraka ny hetsika ka nilaza fa homena sehatra izany, noho izy mahakasika olona maro. “Sambany no hisy anatin’ny FIM izao ary homena toerana manokana ireo fikambanana ireo hampiranty ny fahaiza-manaony momba io tolotra omeny io”, hoy Ramanantsoa Harilala, tomponandraikitra sy mpikarakara ny “FIM 2023”. Notohizany fa hisy ny fifanakalozan-kevitra sy fa­nentanana samihafa mandritra ny 4 andro hanaovana ny “Foire internationale de Madagascar”. Haneho izay fikolokoloana ny tontolo iainana izay ireo tranoheva manodidna ny 30 isa misy ireo mpikambana. Nomena toerana manokana 1.200m2 izy ireo. Nambaran’ny mpikarakara ny hetsika fa zava-dehibe ho azy ireo ny mampahafantata ho an’ny olona ny hasarobidin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Indrindra ireo fihetsika atao andavanandro na koa amin’ny famokarana atao amin’ny orinasa. Araka izany, takelaka mandeha
amin’ny herin’ny masoandro no hamatsy ny herinaratra hampiasaina mandritra ny FIM. Tanjona rahateo ny ho modely sy fitaratra eto amin’ny ranomasimbe Indianina.
Tsiahivina fa hatao ny 11 ka hatramin’ny 14 mey izao eny amin’ny Parc des Expo­sitions Forello, Tanjombato ny “Foire internationale de Madagascar”. Ankehitriny, efa vonona tanteraka ireo mpikarakara handray ny hetsika. Fantatra ihany koa fa manodidina ny 350 eo ireo handray anjara amin’izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: