Iray volana tsy higadonan’ny tsenaben’ny zavamaniry, efa voafandrika ny 60 isan-jaton’ny tranoheva, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany amin’ity hetsika “Foire des Plantes” ity, i Baholy Sarah. Hetsika hatao ny 1 hatramin’ny 4 jona ho avy izao, ao amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Andiany voalohany ny amin’ity taona 2023 ity ka ny La Page no tompon-kevitra ary ny Rian’Ala kosa no mpikarakara.
Santionany amin’ireo efa nisoratra anarana ny La Maison du Vita Malagasy, ny Site Permacole», Andrin’ny Aina, «Semences Madagascar», «Mam’s Anthurium», «Kaliana Garden, ny Chez Coffret Mini, ny ADI’Gasy Company, ny Ando Pépinière, ny Ecovillage Madagascar, ny Cedar, ny Mi Florist, ny Rian’Ala, ny Nature & Pure énergie, ny Santé et Bien-être, ny Ravindahasaha, Fandriana, ny House and Garden, ny Manana Voninkazo, ny Lorenah Garden, ny Producteur de semences. Hivoaka amin’ io fotoana io ny «magazine La Page», izay hiseho isaky ny enim-bolana.
Mi.Raz