Toerana miavaka sy fomba miavaka no hanehoana sy hanatanterahina ity fampirantiana ny sary maneho ny zava-nisy sy ny zava-misy ity. Hitondra ny olona handinika sy hieritreritra manoloana ny zava-misy ny tanjon’ny mpikarakara, indrindra ny mpaka sary, ao anatin’izao.
Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 14 mey 2023, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny hoe “Lova”. Sary nalain’i François Xavier Gbré, teratany Frantsay-Ivoarianina, no haranty ao anatin’io fotoana io. Ny Fondation H no mikarakara ny fampirantiana. Trano tsy ampiasaina intsony, eny Isoraka eny, no nindramina hanaovana ity fampirantiana ity. Anton’izany ny fahafenon’ity toerana ity ny fepetra takian’ny mpampiranty sy ny mpikarakara. Sary maneho ny lasa teto Madagasikara, ny ankehitriny ary ny ho avy no miranty ao amin’ity toerana ity mandritra ny fampirantiana. Kendrena manokana amin’izao fampirantina izao ny ankizy mpianatra.
Misintona ny olona handinika ny zava-misy sy ny zava-nisy ny fampirantiana. Miranty ao ny zava-nisy taloha, indrindra ny tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. “Aseho an-tsary ny zava-nisy fahiny, nahafahan’ny Malagasy nandova izao tanàna izao”, hoy i François Xavier Gbré. Eo ihany koa ny fanehoana ny zava-misy ankehitriny, indrindra ny tao-trano, eto Antananarivo. Araka ny nambaran’ity mpaka sary vahiny ity, Afaka tarafina amin’ny tao-trano misy sy ny fonenan’ny olona ny zava-misy iainany sy ny momba azy. Ity zava-misy ankehitriny ity no anisan’ny nahatonga ny anarana sy ny lohahevitr’ity fampirantiana ity. Nampifanarahana amin’ny maha izy ny fampirantiana ny trano eny Isoraka ity, izany hoe, aseho misongadina ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy. Trano iray manontolo, misy rihana telo, no misy ny fampirantiana ny sarin’i François Xavier Gbré. Sary maneho sy mampahafantatra ny lasan’i Madagasikara no any ambany indrindra. Asehon’ny sary ao amin’ny rihana faharoa kosa ny ankehitriny, indrindra ny eto Antananarivo. Any amin’ny farany ambony no aseho an-tsary ny ho avy.
Efa an-taonany maro no nokasaina hanatanterahana izao tetikasa izao. Fanoratana ny tantaran’i Madagasikara sy amin’ny endriny hafa mihitsy ity fampirantiana ity. “Sintomina amin’ny alalan’ireto sary ireto ny mpanatrika hahalala fa nandova zavatra tsara avy amin’ny razambeny izy ireo ary manana adidy hametraka zavatra ho lovain’ny taranaka any aoriana” hoy i François Xavier Gbré.
Lin (Mpianatra asa)