« International Jazz Day » 2023 : hanentana ho an’ny tontolo iainana ireo mpiangaly mozika

Mozika tsisy fefy, mozika tsisy fetra… Faheno matetika izay, indrindra rehefa miresaka ny mozika jazz. Marihina isaky ny 30 avrily isan-taona ny Andro maneran-tany ho an’ny mozika jazz. Nanama­rika izany nandritra ny taona maromaro ihany koa ireo mpanakanto sy mpankafy mo­zika eto Madagasikara. Ho an’ity taona ity, hiara-dalana ny mozika sy ny fanentanana ho an’ny tontolo iainana.
Etsy Analakely, manoloana ny Karibotel no fotoana ifanomezana ny alahady 30 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hisy sehatra goavana, hifandimbiasan’ireo mpanakanto mpiangaly ny jazz eo. Hiniana tsy tanisaina noho ny hamarony, fa indrindra koa noho ny lalantsaina tian’ireo mpanakanto hovoizina mandritra izany. Hatao laharam-pahamehana mantsy ny fanentanana ny mpiara-monina amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Fitaovana iray fampitan-kafatra toa izany ny mozika amin’ny ankapobeny, sy ny mozika jazz manokana, noho izy mivelatra amin’ny lafiny maro. Mo­zi­ka mampiray, mivoy ny firaisankina, ny fandriampahalemana ary ny fifanajana eo amin’ny samy mpiara-belona rahateo izy.

Zo ny Aina

Partager sur: