Atrikasa fanoratana : nizara ny fahaizany Ralantoaritsimba Nirina

Tontosa nandritra ny alarobia 26 avrily 2023 ny atrikasa ho an’ny famoronana sy fa­no­ratana, teny amin’ny Tra­nom­bokim-pirenena, nokarakarain’ny Academie Nationa­le des Arts et de la Culture, ANAC. Ralantoaritsimba Ni­rina no nampianatra sy ni­zara ny fahaiza-manaony, nandritra izany atrikasa izany. Mpa­no­ratra sy mpisehatra eo amin’ny literatiora maro samihafa no tonga niatrika izany atrikasa izany. “Saro-pady ny asa soratra ka tsy vitan’ny fananana talenta fotsiny fa ilaina fahalalana sy fahaizana”, hoy ny mpampiofana.
Fomba fanoratana, ny endrika ivelany sy anatin’ny asa soratra no nifampizarana sy nitondran’ny mpitarika ny atrikasa tohana ho an’ny mpanatrika. Nisongadina indrindra ta­min’izany ny fampiasana ny teny sy ny fomba fanoratana.
Tao anatin’ny hafaliana no nifampizaran’ireto vondron’olona misehatra eo amin’ny asa soratra sy ny literatiora ireto ny fahaiza-manaony sy ny traikefany avy eo amin’ny famoronana sy ny fanoratana. Niton­dra azy ireo ho any amin’ny matihanina kokoa Ralan­­toa­ri­tsimba Nirina, mpanoratra sy mpampianatra ary manam-pahaizana eo amin’ny literatiora.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: