Tsy sasatra isika ny mamerimberina fa mirongatra izaitsizy ny herisetra amin’ny endriny samihafa. Tsy mifidy ny lasibatra, samy mizaka ny mafy na lahy na vavy. Nirongatra tato ho ato ny lehilahy namono tena noho ny fivadihan’ny rasa. Maro ny vehivavy mahasahy manohitra ny vadiny. Mahasahy mihantsy ny vadiny. Betsaka ny renim-pianakaviana, misafidy ny handrava ny rafitra napetraky ny fiarahamonina amin’ny hoe lahy no lohan’ny vavy. Vokany, mifampitady sy mifanjinja any anaty fifandrefesan-kery ny andaniny sy ny ankilany. Matetika tsy mahazaka ny lehilahy, hany ka mamoy fo sy mivarilavo, ary manaotao fahatany.
Etsy ankilan’izany, anisan’ny tokony hojerena akaiky ihany koa ny mikasika ireo herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Arakaraka ny namoahana ilay lalàna mifehy ny herisetra mifototra amin’ny fananahana, mainka mahazo vahana ny fikasihan-tanana mihatra aman’aina. Firifiry tokoa ny vehivavy, maty vonoin’ny vadiny na ny sakaizany ? Misy ny manan-takaitra mandrakizay. Ny zava-doza, tsy mahamenatra ny mpivady ny mifamotika sy mifandroba an-kitsirano. Tsy mahagaga ! Mahazo vahana ny fangataham-pisarahana fanambadiana eny amin’ny tribonaly. Mahakivy ny milahatra eny amin’ny lalantsaran’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, feno mpivady miandry fotoam-pitsarana fa hisaraka, hono !
Misy ny mpivady vao, tsy ampy herintaona dia mangataka ny hisaraka. Milaza ho voafitaka ralehilahy. Misy ny vehivavy anatin’ny fitondrana vohoka no arian’ny vadiny noho ny fitsipahana ny maha ray. Mifampiandry kendry tohina ny roa tonta. Mitady hirika ny hanariana na hialana ny iray raha vao misy fomba azo hanaovana izany. Fehiny, nanova zavatra maro ny fisian’ny lalàna. Indrisy fa eo amin’ny famakiana sy ny fampiharana azy anefa toa mivadika zavatra hafa. Toy ny fampiharana lalàna rehetra eto Madagasikara, samy mandroritra izay azo androritana azy ny rehetra. Mahafinaritra rahateo an-dRamalagasy, izay firenena voalaza fa « moramora », ny manasaro-javatra!
Inona no iresahana izany ? Very hasina ny maha fianakaviana sy ny tokantrano. Tsy mipetraka intsony ny maha lova tsara avy amin’ilay Mpahary ny vady andefimandry. Tsy harena intsony ny zanaka, ho an’ny sasany, fa zary ifanjanana sy ifampiandrasana kendry tohina. Toe-javatra ilana fiheverana akaiky ny tahaka izany. Tsy misy fahagagana fa mitaky asa. Mila fampahafantarana misimisy kokoa ilay lalàna mahakasika ity herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy ity.
r.r