Fondation H Ambatomena : misantatra ny toerana vaovao ny asa tanan’i Mme Zo

Fampirantiana goavana, manana ny maha izy azy no entin’ny Fondation H, misantatra ny ivontoerana vaovaony. Fampirantiana ny asa tanana nataon’i Madame Zo, izay mpanenona niavaka sy nanana ny naha izy azy teto Madagasikara.

Notontosaina omaly, teny amin’ny ivontoerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambato­mena, ny fampahafantarana ho an’ny mpanao gazety ity ivontoerana vaovao ity sy ny fampirantiana entina misantatra izany. “Bientôt , je vous tisse tous” no anaran’ny fampirantiana misantatra ny ivontoerana vaovaon’ny Fon­dation H. Fampirantiana entina mahatsiaro an-dRaza­karitrimo Zoarinivo na Ma­dame Zo izy ity. Manom­boka anio no hisokatra ho an’ny rehetra izany fampirantiana izany ary sahala amin’izay ihany koa ity toerana vaovao misy ny Fon­dation H ity.

Manana adidy aminy ny Fondation H

“Bientôt, je vous tisse tous”. Io no anisan’ny fehezanteny notenenin’i Madame Zo tamin’ny taratasy nalefany ho an’ny talen’ny Fondation H, izay anisan’ny taratasy fa­rany talohan’ny nahafatesany. Izany indrindra no antony nanaovana ity fehezanteny ity ho lohateny sy lohahevitry ny fampirantiana. Sanganasan’i Madame Zo miisa 80 no mi­ranty ao amin’ity toerana vaovaon’ny Fondation H ity. Nisy ny fiaraha-miasa tamina teknisianina vahiny eo amin’ny fanenomana tamin’ny fanatontosana sy fanomanana izao fampirantiana izao.

Efa hatramin’ny niantombohany, ny taona 2016, no niantsehatra teo amin’ny lafiny kolontsaina sy niantsoroka ny mpahay kanto ny Fonda­tion H. Anisan’ny mpahay kanto nanamarika ny tantaran’ ny Fondation H Razakari­trimo Zoarinivo na Madame Zo. Izy izay anisan’ny Malagasy mpanenona nanana ny nampia­vaka azy. Nodimandry izy volana vitsy taorian’ny naha voahosotra azy ho mpandre­sin’ny “Prix Paritana 2020” ka tsy nisitraka ny valisoa amin’ny maha mpandresy azy akory. “Manana adidy amin’i Madame Zo ny Fondation H. Izy izay olona tena fakan-tahaka tokoa tamin’ny toe-tsaina nentiny. Izany indrindra no anton’izao fampirantiana izao sy ny fanomezana azy toerana voalohany amin’ ity toerana vaovao ity”, hoy i Hassanein Hiridjee, talen’ny Fondation H.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: