« Torajofo ». Anisan’ireo hetsika goavana nanamarika ny tantaran’Antsonjombe, fony izy mbola toerana namovoka tokoa izany. Niato taona vitsivitsy ity seho goavana ity, saingy izao hiverina amin’ny endrika hafakely izao indray. “Natao hanamarihana ny faha-20 taonan’ny RDJ dia haverina ny hetsika, ho fanomezana ho an’ny mankafy. Tarika maherin’ny 50 no hifandimby an-tsehatra mandritra ireo roa andro ireo”, hoy ny nambaran-dRasolojaona Tahiana, tale jeneralin’ ny RDJ sady mpitarika ny komity mpikarakara.
Raha ny tazana teny an-toerana omaly, mizara roa ny sehatra goavana. Mba hahafahan’ireo tarika mifandimby tsy misy fahabangan’ny fotoana ny antony, raha ny fanazavana. “Hanana eo amin’ny 15 minitra avy eo ny tarika. Misy hamita hira hatramin’ny farany, misy kosa nisafidy nanambatambatra hira, arakaraka izay mety handrasan’ ny mpankafy azy ihany”, hoy hatrany ny fanazavana.
“Ny onjam-peo mihitsy no hobatainay an-tsehatra amin’ io fotoana io. Hisy mantsy ny fanentanana hataonay mpanentana fandaharana ao amin’ny RDJ eny an-tsefatsefany eny. Eo koa ry zalahy teknisianina sy mpikosoka kapila ao amin’ny RDJ’s Team, ankoatra ireo mpanakanto mpihira ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy voatanisa avy, fa ahitana mpanakanto zokiny sy zandriny, mivoy karazan-gadona maro ireo handray anjara mandritra ireo roa andro ireo.
Zo ny Aina