Foko malagasy : hihaona ny tomponandraikitra

Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ ny Antenimieran’ny Andriana Imerina, nampahafantarana ny hetsika ataon’izy ireo ny 2 mey hatramin’ny 5 mey 2023, eny amin’ny Fofikri Ankadikely Ilafy. Fifanakalozana ara-poko eto Mada­gasikara no hatao mandritra ny hetsika. “Maro ny zavatra hodinihina mandritra io fotoana io. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ izany ny fitadiavana hevitra ny hamerenana an’i Madagasikara amin’ny Malagasy”, hoy Rakotondrasoa Noël, mpitantana ny Laka.
“Mbola very hasina maha tompon-tanindrazana isika Gasy, tsy manan-jo amin’ny fananany”, hoy ny Andriambe Andriama­hary Hamona. Izany indrindra no anton’izao hetsika karakarain’ ny Antenimieran’ny Andriana Imerina na AAM izao. Fifana­ka­lo­zana eo amin’ny foko misy eto Madagasikara, dinika mahakasika ny foko tena misy marina eto ary fananganana ny Antenimie­ran’ny foko malagasy misy eto Madagasikara. Ireo no hameno ny fandaharam-potoanan’izany hetsika izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: