Ambodin’Isotry : ho vita afaka 15 andro ny lalana

Miisa 43 ny lalana arenina eto an-dRenivohitra, ao anatin’ ny fandaharam-potoanan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Efa vita ny eny amin’ ny lalana By-Pass Ankadim­bahoaka. An-dalana, efa vita 75% ny eny Ambodin’Isotry, Aigle Noir, izay hisokatra ho azo andehanan’ny fiara afaka 15 andro. Hitohy eny amin’ny Cnaps Ampefiloha, Tsarala­làna, Analakely indray avy eo ny asa.

Avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (Fonds routier) ny vola hanaovana ny 23 amin’ireo asa 43 ireo. Vola mi­ditra amin’ny fanjakana ma­diodio (RPI) kosa ny hanatanterahana ny 20 ambiny.

Tsiahivina fa efa vita koa ny fametrahana takelaby eny amin’ny tetezamby Tanjom­bato, nanomboka ny alarobia teo, nanomboka tamin’ny 3 ora sy sasany maraina.

Njaka A.

Partager sur: