Nomena sarany manokana amin’ny fanjifana ny herinaratry ny Jirama ny orinasa 19 misehatra amin’ny famokarana eto amintsika. Tafiditra amin’izany ireo orinasa lehibe indostrialy misahana ny famokarana lamba, ny famokarana simenitra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Anisan’ ireo voatonona amin’izany koa ireo orinasa misehatra amin’ny fanodinana vy ary ny famokarana sy fanodinana akora simika. Tsiahivina fa nihatra nanomboka ny 3 aogositra 2022 ny sarany vaovao ao anatin’ny “optima business” ho an’ireo sokajina orinasa indostrialy.
Ankehitriny, efa mihatra 100% izany. Mbola eo amin’ ny 40% kosa ny fiakarana ho an’ireo orinasa indostrialy ara-stratejika lehibe 19 voalaza etsy ambony. Natao izao fepetra izao hanohanana ireo orinasa ireo, noho izy mitana toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy. Haharitra 12 volana ity fepetra ity ka hihatra manomboka amin’ity volana avrily ity saingy tsy mihatra amin’ny fandaniana teo aloha.
Henintsoa H.