Festival Somaroho: hisy ny mpanakanto avy ao amin’ny Nosy manodidina

Hetsika iray anisan’ny miavaka ny “Festival Somaroho”. Hiavaka tsy sahala amin’ny nahazatra, tamin’ny andiany teo aloha, ity andiany faha-10, ho tanterahina ny volana Aogositra ity.

Tontosa omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ny “Festival Somaroho”. Ham­pia­vaka ity andiany ity ny maha andiany fahafolo azy. Eo ihany koa ny fankalazana ny faha 20 taonan’ny tarika “Wawa”, izay fototra mampisy ny “Festival Somaroho”. Ankoatra izay, hampiavaka ny andiany fahafolon’ny “festival Somaroho” ihany koa ny fanatanterahana azy mandritra ny 13 andro. Hahatratra 25 ny tarika ho avy hanafana ity he­tsika lehibe ity. Hisy ihany koa ny mpahay kanto vahiny ho avy eny Nosy Be, hanafana ny “Festival Somaroho” an­diany fahafolo.
Tanterahina any Nosy Be, ny 1 Aogositra 2023 hatra­min’ny 13 Aogositra 2023, ny “Festival Somaroho” andiany fahafolo. Ho tanterahina miara-dalana amin’izay ihany koa ny fankalazana ny faha 20 taonan’ny tarika Wawa. “Man­dritra ny herinandro voalohany hanatanterahana ny festival, hisy ny fampisehoana mitety ny fokontany rehetra ao Nosy Be isan’andro. Man­dritra ny famaranana ny hetsika kosa no hanaovan’ny tarika Wawa ny fampisehoana goavana ao amin’ny fokontany Djamanjary, toerana izay nahaterahany”, hoy i Wawa. Eny ankalamanjana no hanatanterahana ny festival mandritra ny herinandro voalo­hany, izany hoe, ny 1 aogositra hatramin’ny 6 aogositra. Anaty efitrano kosa no ha­nohizana ny tohin’ny hetsika, mandritra ny herinandro fa­haroa.
Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina maro samihafa no ho hita mandritra ity hetsika lehibe ity. Anisan’ izany ny “carnaval”, izay anisan’ny mampiavaka ny “festival Somaroho”. Ao ihany koa ireo hetsika ara-koltoraly nahafantarana ny Nosy Be. “Ho avy ao avokoa ireo mpanakanto malaza eto Madaga­sikara. Mahatratra 25 isa izy ireo. Mahakasika ny vahiny mpanakanto kosa, hisy mpanakanto avy any Jamaika ho avy eto amintsika, miampy ny mpanakanto kalaza avy amin’ny Nosy manodidina” hoy i Wawa, mpanakanto.
Miavaka amin’ny hetsika lehibe rehetra misy ny “Fes­tival Somaroho”, festival izay ahitana sy mahavita manafatra vahiny mpanakanto maro.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: