Hotontosaina rahampitso, eny Antsahamanitra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny vaky sehatra ho an’ny tarika NyAinga. Mikarakara izany ny fikambanana Malaza ny Gasy. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo izy ireo amin’ny alalan’ny “école de la chance”. Natao ny hetsika sy fiaraha-miasan’ny fikambanana sy ny tarika Ny Ainga mba hahafahana manampy sy manome tosika ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo.
“Mbola misedra olana ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo satria tsy ampy sakafo, rano, toeram-pianarana… ny ankamaroan’izy ireny”, hoy ny tale mpanampy eo anivon’ny Fikambanana Malaza ny Gasy, Angelo. Natokana ho fanampiana azy ireo, araka izany, ny vola rehetra azo amin’ny hetsika, raha ny fanazavana. Hanamboarana trano fianarana, hividianana seza, latabatra, fitaovam-pianarana ary hampidirana rano.
Ankoatra izay, hiavaka ny fampisehoana satria ho hafakely ary hisy ny zavatra tsy ampoizina mandritra izany. “Entina sy aseho an-tsehatra amin’ny fomba maha kanto azy ny tantaran’ny tarika ny Ainga hatramin’izay niandohany ka hatramin’izao”, hoy Rabesaiky Marie Luc, tarika Ny ainga.
Mino (mpianatra asa)