Vanim-potoana mafana : velarantany 50.000 ha tratry ny andiam-balala

Nirongatra ny andiam-balala, izay efa mahenika velarantany 50.000 ha. Maika ny fandraisana fepetra satria ahiana vao mainka hihazakazaka izany fitomboany izany, ka tsy maintsy vonoina mialoha ny jona 2023.

Nanafaingana ny fitomboan’ny valala ny fi­rotsahan’ny orana be loatra sy ny toetr’andro, na­nomboka ny oktobra 2022. Nandray fepetra hentitra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), na­nom­boka ny novambra 2022 teo, hiadiana amin’ny an­diam-balala. Maro ny asa natao niarahan’ny Ivontoe­rana miady amin’ny andiam-balala (IFVM) sy ny mpiara-miombon’antoka. Nankatoa­vi­na ny drafitrasam-pirenena hiadiana amin’ny andiam-balala 2022-2023. Tafapetraka koa ny Vaomiera iraisan’ny minisitera hiadiana amin’ny andiam-balala (CCI-LA). Na­nombana tany ifotony ny zava-misy ny FAO sy ny IFVM.
Nahatratra 300 ha ny velarantany notondrahana fanafody ana habakabaka, ny 27 avrily teo, tany amin’ny kaominina Mandrosonoro, distrika Ambatofinandrahana faritra Amoron’i Mania. 340 ha ny velarantany natao an-tanety, ka 40 ha tany amin’ny kaominina Ambia, distrika Ihosy, faritra Ihorombe. Nahatratra 2.930 ha no voatondraka fanafody ny 17 hatramin’ny 27 avrily, ka 2.690 ha natao ana habakabaka tany amin’ny distrika Ampanihy Andrefana sy Betioky Atsimo, ary 240 ha natao an-tanety tany Ihosy. Raha atambatra, nahatratra 10.717 ha no vita ka ana habakabaka ny 3.050 ha ary 7.667 ha an-tanety.

Tetikasa Mionjo
Hitohy any amin’ny kaominina Malaimbandy, distrika Ambatofinandrahana, Mian­dri­­vazo, Mahabo, Beroroha, Ikalamavony ny hetsika famonoam-balala ana habakabaka. Manohana ny hetsika an-tanety koa ny tetikasa Mionjo, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ka misy ny fanomezana fitaovana. Ahitana ivontoerana mandrindra ny asa any Betioky Atsimo, Ejeda, Be­troka, Ambatofinandrahana, Ikalamavony, Sakaraha, Ambovombe, Manja, Ihosy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: