Hanomboka afaka herinandro vitsy ny «Foire internationale de Madagascar», FIM 2023. Andiany faha-17 ny atao amin’ity taona ity eny amin’ny «Park des expositions”, Forello Tanjombato. Ankehitriny, efa vonona ireo mpandray anjara sy ireo mpikarakara ny hetsika ary ny mpiara-miasa rehetra. Omaly, namory ireo mpiara-miasa amin’ny hetsika teny an-toerana ny mpikarakara. Nisy ny fandaminana ny pitsopitsony manodidina ny FIM sy ireo fepetra tokony harahin’ny tsirairay avy. Nandritra izay, samy nampahafantatra ny tolotra omeny ny mpandray anjara tsirairay. Tsiahivina fa hatao ny 11 ka hatramin’ny 14 mey izao ny “Foire internationale de Madagascar”. Hiompana amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra ny FIM 2023. Araka izany, hampiranty ny fahaiza-manaony ireo mpandray anjara rehetra. Hisy fifanakalozan-kevitra sy fizarana traikefa ary fanentanana mandritra ireo efatr’andro ireo. Haneho ny fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ireo fikambanana maherin’ny 30 isa mpandray anjara ny hetsika. Araka izany, tsy hampiasa ny herinaratry ny orinasa jirama ny mpikarakara. Hamatsy ny herinaratra mandritra io efatr’andro ny FIM ny takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro. “Tanjona amin’ity ny ho modely sy fitaratra aty amin’ny ranomasimbe Indianina”, hoy Ramanantsoa Harilala, mpikarakara ny hetsika.
Henintsoa Hani