Misy amin’ireo faritra iasan’ny orinasa Base Toliara no ahitana fasana ilevenan’ny tompon-tany. Naneho hevitra mazava i Tsimitamby, zanak’i Toliara, ny manampahaizana amin’ny maha olombelona sy ny fiarahamonina (anthropologue) mikasika ny tetikasa Base Toliara.
Nambarany fa manaja ny fomban-tany sy ny tombontsoan’ny mponina ity orinasa ity, sady manaraka ny lalàna amin’ny lafiny rehetra. Izy rahateo no anisan’ny nanao fanadihadiana, nitantsoroka ny famindrana ny razana tao amin’ny faritra iasan’ity orinasa ity.
Niisa 38 ny razana efa nafindra toerana. Miisa 55 ny razana efa teo andalam- pamindrana, saingy niato satria nahanton’ny fanjakana ny asan’ny Base Toliara, ny taona 2019.
Notsorin’i Tsimitamby fa tsy tokony nijanona ny tetikasa ara-tsosialy nataon’ity orinasa ity, satria manan-danja amin’ny maha olombelona ny mponina. Anisan’izany ny tohana nataony amin’ny lafiny fanabeazana, ny fitsaboana, ny fambolena, ny fiompiana, ny sns. Aminy, azon’ny fanjakana natao tsara ny nanara-maso ireo voalaza ireo na nihantona aza ny fihariana ara-toekarena, ny fitrandrahana fasimainty ataon’ity orinasa ity.
Njaka A.