« Orange digital center » : hanampy ny tanora ao Fianarantsoa

Notontosaina, omaly, tetsy amin’ny Orange Madagascar, Ankorondrano, ny fiaraha-miasany amin’ny oniversi­ten’i Fianarantsoa. Hiompana amin’ny lafiny nomerika iza­ny. Hisitraka ity tetikasa ity ireo mpianatry ny oniversite any an-toerana sy ny tsy an’asa na koa tsy mianatra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tanjona ny hanamafy ny fanoloran-tena ny rehetra amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manao nomerika ho an’ny tanora malagasy. Izay rahateo ny antony nananganana ny Orange Digital Center Club (ODC Club) , ao Fiana­rantsoa. Ivontoeram-panofanana sy fampivelarana ny fahaiza-manao nomerika izy. Araka izany, misy ny hetsika isan-karazany handrafitra ny tetikasa. Ao ny fiofanana “codage” sy fananganana orinasa. Maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra ny ODC ka afaka manampy ireo tanora manana tetikasa mi­vaingana sahady ity tetikasa ity.

Henintsoa H.

Partager sur: